Madagasikara - Ao Raha Gazety - Vaovao Malagasy

Fanoloana praiminisitra – Miseho ho tsy mihetsi-bolomaso i Omer Beriziky  

Details

Nihaona tamin’ny Parlemantera i Beriziky, omalyToa efa hita taratra ho nomanina tamin’ny fanesorana amin’ny toerany ny Praiminisitra Omer Beriziky mihitsy ny sain’ny olom-pirenena omaly. Tranga izay nihatomboka tamin’ny horakoraka nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny kaongresin’ny tetezamita, mpomba an’i Andry Rajoelina. Nangataka avy hatrany ny...

Read more...

Hetraketraky ny fiainana – Ny andron’ny fetin’ny reny no maty nofaohin’ny fiara i Noely

Details

Hetraketraky ny fiainana – Ny andron’ny fetin’ny reny no maty nofaohin’ny fiara i NoelyHOROHORO SY TEBITEBY NO NIAINAN’NY FIANAKAVIANA IRAY ETSY SABOTSY NAMEHANA NY FETIN’NY RENY, NY ALAHADY LASA TEO. TSY HITA NANOMBOKA NY MARAINA NY RENIM-PIANAKAVIANA, ANTSOINA HOE RAZAFINDRAVAO MARIE NOELINE NA I NOELY. NY TALATA TEO VAO FANTATRA SY NISY NAMPANDRE FA NY VATANY EFA TSY NISY AINA INTSONY NO ENY AMIN’NY HÔPITALY...

Read more...

Fanarahan-dia – Serzà iray naratra mafy voatifitry dahalo 

Details

Fanarahan-dia – Serzà iray naratra mafy voatifitry dahalo Miaramila iray mitondra ny laharam-boninahitra serzà miasa eo anivon’ny Capsat ary nanao iraka manokana tany Bemahatazana indray no naratra mafy voatifitry ny dahalo tany Behamahatazana II any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alin’ny 27 mey teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

«Dahalo 10 lahy nirongo...

Read more...

Tsy fanjarian-tsakafo – Navadika ho orinasa ny mpanao koban-jazakely

Details
Tsy fanjarian-tsakafo – Navadika ho orinasa ny mpanao koban-jazakely

Rakotonarivo Mieja Vola (eo afovoany), tale jeneralin'ny Nutri’Zaza.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Folo taona aty aoriana, navadika ho orinasa ny Tetikasa Nutrimad, ka novaina anarana ho Nutri’Zaza, izay mpamokatra ny “Koba aina”, amidy ho sakafon-jaza eny amin’ireo Hotelin-jazakely samihafa.

Nisy lanonana tsotra nampahafantarana...

Read more...

Lany andro ny teo aloha – Havaozina ny sarintanin’i Madagasikara

Details
Lany andro ny teo aloha – Havaozina ny sarintanin’i Madagasikara

Ety amin'ny FTM Ambanidia avokoa no hanontana ny sarintany rehetra ary mamatsy sampan-draharaha maro

Tao anatin’ny 50 taona izay no fantatra fa efa tsy nisy fiovana intsony ny sarintanin’i Madagasikara. Mbola ilay sarintany fampiasa hatramin’izay ihany no ampiasaina sy enti-mampianatra. Nampahafantarina, omaly, tetsy Analakely...

Read more...

Fifaninanana iraisam-pirenena – Horaisintsika ny hazakazaka bisikileta “Red Island Ride”

Details
Ireo vahiny mpikarakara by hetsika tonga eto Madagasikara

Ireo vahiny mpikarakara by hetsika tonga eto Madagasikara

Ankoatra ny fihodinana an’i Madagasikara am-bisikileta, izay karakaraina isan-taona eto amintsika, dia hikarakara hetsika iray goavana ny mpanatontosa ny “Red Island Ride”. Hazakazaka amina bisikileta VTT amina toerana tsy mahazatra no tena atao amin’io hetsika io.

Mpikambana fito, izay...

Read more...

Kitra fifindrana mpilalao – Voaresaka betsaka any ivelany i Neymar, Falcao, Lloris ary Villa

Details
Kitra fifindrana mpilalao – Voaresaka betsaka any ivelany i Neymar, Falcao, Lloris ary Villa

Efa ela no nanairy hilalao amin'ny Barça i Neymar, mety hifindra ao amin'ny As Monaco kosa i Falco

Amin’izao fiafaran’ny taom-pilalaovana baolina kitra any Eoropa izao, dia samy miomankomana ny hanatevina ny ekipany ny ankamaroan’ireo klioba eoropeana. Isan’ireo efa nahavita ny fifanarahany i Neymar (21 taona) sy ny FC Barcelone. “Efa f...

Read more...

Basket ball vehivavy – Ekipa sivy sisa no handray anjara any Mahajanga

Details

Tamin’ireo ekipa 12, nilaza fa handray anjara amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboaram-pirenena bakset N1A Dame, hatao ao Mahajanga, ny sabotsy 1 jona, fantatra izao fa nanapa-kevitra  tsy handray anjara ireto ekipa telo ireto : -TBC Bongolava: noho ity ekipa ity rava ; -Lazan’i Betsileo  avy any Matsiatra Amb...

Read more...

Rava ny fiaraha-mitanana – Mizara roa tanteraka ny rafitra mpanatanteraka 

Details

Rava ny fiaraha-mitanana – Mizara roa tanteraka ny rafitra mpanatanteraka Niitatra hatrany amin’ny fivakisan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ho roa ny disadisa eo amin’ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Omer Beriziky. Omaly hariva tokony ho tamin’ny 3 ora teo ho eo dia nitarika ny Filankevitry ny minisitra teny amin’ny lapan’  Iavoloha ny...

Read more...

Fizahantany – Miantso vonjy amin’ny mpanao politika ny mpandraharaha

Details

Lasa hetsika hiarahana amin’ireo Nosy lavanila, izay ahitana an’i Madagasikara, Maorisy, Seychelles, Kaomôro, La Réunion ary Mayotte. Nanomboka, omaly, etsy amin’ny Carlton Anosy ary haharitra hatramin’ny sabotsy izao, ny andiany faharoa amin’ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara na ny ITM 2...

Read more...

Fetim-pirenena – Mpanakanto maro handeha hiondrana any andafin’ny riaka

Details

Raha mbola takotakona amin’ny disadisa politika ny fanomanana ny fetim-pirenena eto an-toerana, efa manomana izany kosa ireo malagasy monina any ivelany. Mpanakanto malagasy maromaro no fantatra fa hiondrana any andafin’ny riaka, ka handray anjara amin’ny hetsika iray antsoina hoe «Madagascar live festival 2013», izy ireo ary...

Read more...

Loza voajanahary – Manakaiky ny renivohitra ny valala

Details

Loza voajanahary – Manakaiky ny renivohitra ny valalaAo atsimon-tanàna. Nandrava ny lalao baolina kitra natao tao amin’ny Kianja Velodrome, ao Antsirabe, ny alahady teo ny valala. Misy andiany nandalo tao Antanifotsy ny talata. Omaly alarobia indray, voalaza fa efa natory tao Andranovelona, ao Ambatolampy ny andiam-balala iray. Izany hoe efa mikisaka tsikelikely mankaty an-drenivohitra.

Be ny voly...

Read more...

Ambohimahasoa – Olona 13 maty vokatry  ny disadisam-pianakaviana

Details

Ambohimahasoa – Olona 13 maty vokatry  ny disadisam-pianakavianaNiafara tamin’ny fahafatesana olona 13 ny disadisa nitranga teo amina fianakaviana roa tany Ambalamarina Seranana Vohitrarivo, any Ambohimasoa, ny sabotsy 25 mey teo.

Raha ny tatitra azo teo anivon’ny zandary avy any an-toerana dia « lehilahy telo avy nijinja vary ka nisotrosotro nony avy eo no niaingan’ny disadisa». Fotoana...

Read more...

EPP Nanisana – Tsy nanaiky ny fialan’ny tale ny ray aman-drenin’ ny mpianatra

Details
Nilaza tsy hanaiky ny famindran-toerana atao aminy ity talen-tsekoly ity

Nilaza tsy hanaiky ny famindran-toerana atao aminy ity talen-tsekoly ity

Niteraka savorovoro vao maraina, tetsy amin’ny Epp Nanisana, ny fanesorana ny talen-tsekoly. Tamin’ny 06 mey teo no navoakan’ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena (Dren) ny naoty mamindra azy ho eny amin’ny Ceg Analamahitsy sy ny naoty nanendry ny solo...

Read more...

Filankevitra ambonin’ny tetezamita – Mikiry mafy hanala ny filohany ireo mpikambana Cst sasany

Details

Mihasarotra ny raharaha eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Misy amin’ ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra mpanao lalàna ao anatin’ny tete-zamita ity no miziriziry hanao fifidianana hano-loana ny jeneraly Rasolo-soa Dolin, filoha amperin’ asa.

Naka mora kosa anefa ity farany raha namaly fa «efa nisy...

Read more...

Tsy fandriampahalemana – Harahi-maso ireo miaramila sy ny fitaovam-piadiana mivezivezy

Details

Hamafisina ny fanaraha-maso an’ireo toby miaramila sy ny fivezivezen’ny fitaovam-piadiana eny anivon’ izy ireo, araka ny ni...

Read more...

Fanadinam-panjakana – Roboka amin’ny fanaovana « cours » ny mpiadina

Details
Fanadinam-panjakana – Roboka amin’ny fanaovana « cours » ny mpiadina

Herizo Lalaina Dietrich, isan'ny mitana ivon-toeram-panomanana fanadinam-panjakana

Mafy ny te voaray ho mpiasam-panjakana. Efa maro ihany koa ireo ivon-toerana mikarakara sy manomana ny fanadinana hidirana amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Ifanotofana sy enjehina avokoa ny ivon-toerana rehetra momba izany eto amintsika. Mahaliana ireo mpi...

Read more...

« Afrobasket U16 tour sy gasy » – Nahita ny anjara-masoandrony ny Dream Team

Details

Nitsiky tamin’ny ekipan’ny Dream Team, tamin’ ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’i Mandroseza, ny vintana raha nihaona tamin’ny BC Ambodin’ Isotry izy ireo nandritra ny andro fahatelo ho an’ny “Afrobasket U16 tour sy gasy”. Niondrika teo anatrehan’ity ekipan’ny Dream Team ity tamin’ny alalan’ny isa 58 no ho 53 ny BCAI, nandritra io lalao io.

...

Read more...

Baolina kitra – Nanetriketrika ny fitsenana ireo mpilalaon’ny Tana Formation

Details
Baolina kitra – Nanetriketrika ny fitsenana ireo mpilalaon’ny Tana Formation

Omaly no tonga teny Ivato ireo delegasiona mandrafitra ny Tana Formation avy any Maorisy

Hoby sy fankasitrahana ary tehaka nirefodrefotra no nasetrin’ireo mpankafy ny Tana Formation azy ireo, nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato nankeny amin’ny foiben-toeran’ izy ireo teny Talatamaty, omaly nandritra ny fitsenana makot...

Read more...

Fananantany – Azo angatahina ireo tany mbola misoratra amin’ny mpanjanaka

Details

Ambanja, Alaotra, Itasy, Vakinankaratra… Saika mananika ny an’arivony hekitara ireo tany manerana ny Nosy mbola misoratra amin’ny Mpanjanatany. Raha ny fanazavan-dRavelojaona Tantely, tale jeneralin’ ireo sampan-draharahan’ ny Fananantany, dia maro ireo olona efa mipetraka amin’ireny tany ireny saingy mbola tsy m...

Read more...

Fitadiavana – Mahavelona ny asa tanana ho an’ireo mamorona sy tsara kalitao

Details
Fitadiavana – Mahavelona ny asa tanana ho an’ireo mamorona sy tsara kalitao

Mpanao asa tanana nahazo tombony tamin’ny kalitao sy ny famoronana Rasoloarimamy Fetra sy Ramarokoto Dominique

Kalitao sy famoronana. Ireo ihany no fototry ny fampandrosoana ny asa tanana raha tiana haha- velona. Nanaporofo izany Ramarokoto Dominique, mpanao asa tanana peta-kofehy ao anatin’ny kaoperativa Laza, etsy Ambohimalaza. “Tsy mampatah...

Read more...

Kolejy La Lumiere – Naseho tamin’ny kolontsaina maro loko ny «reny»

Details

Fetin’ny reny hafa kely. Hetsika fanaon’ny kolejy La Lumière Internationale isan-taona. Nasehon’ireo mpianatra tamin’ny kolon- tsaina maroloko ny «reny», nandritra ny seho natolotr’ izy ireo ho an’ireo renin’ ny mpianatra, ny sabotsy tolakandro teo.

Noporofoin’izy ireo tamin’ireo talenta s...

Read more...

Fanabeazana – Mbola zaza dia efa miroboka amin’ny firaisana ara-nofo ny ankamaroan’ny mpianatra

Details
Dieny mbola kely no efa mifamofo ny zatovo malagasy

Dieny mbola kely no efa mifamofo ny zatovo malagasy

NY FIROBOROBOAN’NY FANATONTOLOANA SY NY TEKNOLOJIA ANKEHITRINY ARY NY FITIAVANA RENDRARENDRA NO ANTONY MAHATONGA NY ANKAMAROAN’IREO ANKIZY MPIANATRA MIROSO ALOHA LOATRA AMIN’NY SEHATRY NY FIRAISANA ARA-NOFO. RAHA NY VOALAZA DIA VAO 13 TAONA NA 15 TAONA NY ANKIZY DIA MIRONA AMIN&#8...

Read more...

Pety Rakotoniaina – «Aringano aloha ny valala»

Details

Ho an’ny Filohan’ny delegasiona manokan’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniana, dia ny fanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny valala aloha no tokony himasoan’ny fitondrana tetezamita. «Tsy maninona na mihemotra aza ny fifidianana fa ny vahao-lana haingana ahafahana mandringana ireo andiam-balala any amin’ny faritr...

Read more...

Fifidianana – Namotopototra ny Cenit ireo delegasionan’ ny Sadc 

Details

Omaly tolakandro no nihaona manokana tamin’ ireo delegasionan’ny vondrona Sadc, tetsy Alarobia ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifi-dianana ao anatin’ny tete-zamita (Cenit). Nifototra tamin’ny fanazavana amin’ ny antsipiriany ny fizotry ny fanomanana ny raharah...

Read more...

Pierrot Rajaonarivelo – Manainga ireo olom- panjakana kandidà  hametra-pialana 

Details
Rajaonarivelo Pierrot, filohan’ny antoko Mdm

Rajaonarivelo Pierrot, filohan’ny antoko Mdm

Nambaran’ny filohan’ny antoko Mientana ho an’ ny demokrasia eto Madagasikara, Pierrot Rajaonari-velo fa «mbola voatana ary tsy misy miova ireo tetiandrom-pifidianana napetraky ny Cenit sy ny Firenena Mikambana».

«Noho io antony io dia tokony hanaja ny lalàna ary tokony hametra-pialana avo...

Read more...

FJKM Ambohitantely – Nampiray ny mpanao politika ny veloma farany an’i Richard Andriamanjato 

Details

Maro ireo mpanao politika tonga teny Ambohitantely, omalyOmaly tolakandro no natao veloma farany, tetsy amin’ny Fjkm Ambohitantely, ny nofo mangatsiakan’ny mpitandrina, Andriamanjato Richard Mahitsison. Saika nanotrona ny fianakaviana teny an-toerana ny ankamaroan’ireo olom-panjakana ambony sy ireo mpanao politika isan-tsokajiny. Isan’izany ny Filohan’ny tetezamita, Andry...

Read more...

Joaquin Chissano – «Miova hevitra foana na Ravalomanana na Rajoelina »

Details

Mbola nanamafy ny Filoha mozambikanina teo aloha, izay lehiben’ ny fanelanelanana iraisam-pirenena amin’ny krizy malagasy, Joaquim Chissano, tao amin’ny onjam-peo Rfi omaly fa «tsy hisy mihitsy ny fankatoavan’ny Vondrona Afrikanina ny voka-pififidianana raha mbola misisika milatsaka hofidiana Ravalo- manana Lalao, Ratsiraka ...

Read more...

FFM sy foloalindahy – Handrasana anio ny fanapahan-kevitry ny Ces  

Details

Nambaran’ny filohan’ ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ny jeneraly Sylvain Rabotoa-rison, omaly fa «tokony ho anio alatsinainy no hiandrasana izay ho fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana (Ces) mahaka-sika ny fangatahana nataon’ izy ireo ny hitazonana na tsia ny datin’ny 24 jolay hana...

Read more...

Ambohitompoina – Tsipoapoaka no nentin’ny jiolahy nandroba Ar 40 tapitrisa

Details

Ambohitompoina – Tsipoapoaka no nentin’ny jiolahy nandroba Ar 40 tapitrisaTsipoapoaka no nentin’ireo jiolahy nandroba tany Ambatomainty, Vohitrandro Ambohitompoina, faritra Vakinankaratra, ny zoma 24 mey teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Mpivarotra enta-madinika sady mpamongady io voaroba io ka vola 40 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy tamn’izany.

“Vao tonga teo an-tokotany ireo jiolahy dia nanapoaka tsipoapoaka. ...

Read more...

Fanampiana ny mpanala CEPE – Nametrahana « cantine scolaire » eny amin’ny Epp 93 eto Iarivo

Details

Fanampiana ny mpanala CEPE – Nametrahana « cantine scolaire » eny amin’ny Epp 93 eto IarivoNanaovana hetsika manokana, momba ny fanampiana sakafo, ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana Cepe eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra na Epp. Betsaka amin’ireo mpianatra ireo no tojo fahasahiranana ka tsy dia misakafo firy. Eo ihany koa ny hamafin’ny famerenana satria misy amin’ireo mpiadina no mianatra...

Read more...

Toetr’andro – Mbola hitohy ny hafanana sy orana manify

Details

Mivadibadika hatrany ny toetr’andro eto amintsika. Mbola ao anatin’ny volon’ andro manàsara-taona hatrany isika raha ny loharonam-baovao avy eny anivon’ ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. “Mbola hitohy hatrany ny zavona maraina arahin’ny hafanana ary mety hisy orana ny hariva. Mbola ao ana...

Read more...

Taxi foot – Lasa atahorana ny Taxi Cité Analamahitsy

Details

Tamin’ireo lalao efatra nataony, dia tsy mbola resy mihitsy ny ekipan’ny Taxi Cité Analamahitsy. 7 no ho 4; 9 no ho 4; 5 no ho 1 no nandreseny ny mpifanandrina taminy. Tamin’ny sabotsy teo, dia resin’ny Taxi Cité Analamahitsy tamin’ny isa 3 no ho 0 ny ekipa Taxi Andranonahoatra.

Ho an’ny Taxi Tsimbazaza kosa, dia sambany no nanao ady sahala. N...

Read more...

Rugby « Top 14″ – Mbola voatanan’ny IRC ny laharana voalohany

Details

Tsy nahatohitra ny IRC, ekipan’ny tanànan’ Antananarivo renivohitra, omaly, ny miaramilan’ny Cosfa, teny amin’ny kianja Makis, raha niady ny laharana voalohany vonjimaika taorian’ny andro fahatelo ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Anala- manga, baolina lavalava.

Niondrika teo anatrehan’ ny IRC, tamin’ny alalan’ny isa 24 no ho 20, ny Cosfa tamin...

Read more...

« Defi Froid » – Voahosotra ho klioba mendrika amin’ny lomano ny Cosfa

Details

Lasan’ny klioba Cosfa ny anaram-boninahitra, ekipa mendrika, tamin’ny fifa- ninanana milomano anaty hatsiaka na ny «Defi-Froid» nokarakarain’ny klioba Cosfa, taranja lomano, teny amin’ny dobo filomanosan’ i Betongolo, ny sabotsy lasa teo.

Nahatratra 150 ireo mpilomano nisoratra anarana hihantsy ny hatsiakan’ny rano tamin’ ity andiany 2013 ity saingy...

Read more...

Felamboly – Fito taona no nikarohana ny fitaovam-pambolena revolisionera

Details
Toy izao kosa ilay herse bildozera, maivana nefa mamaky bainga tsara

Toy izao kosa ilay herse bildozera, maivana nefa mamaky bainga tsara

Miditra eny ambanivohitra ny fitaovana revolisionera. Fitaovam-pambolena, tsy mbola fahita sady tena mahomby no vitan’ny orinasa Felamboly sy ezahiny aparitaka amin’izao fotoana izao. Angadin’omby “turbo”, “herse bildozera” no anarana nomeny azy sy fiavam-bary na sarkilezy “tout te...

Read more...

Fetin’ny 26 Jiona – Tsy voatana  tsy hampiasa  tsipoapoaka ireo ankizilahy

Details

Manomboka mivarotra tsipoapoaka indray ireo mpivarotra amoron-dalana. Misy anefa ny didy aman-dalàna mandrara ny fanapoahana izany eto amintsika. Tsy voafehy tsy hampiasa azy ireo ankizy amin’izao vanim-potoana manakaiky ny fetim-pirenena izao.

«Efa voararan’ny lalàna ny fivarotana sy ny fanapoahana ireny tsipoapoaka ireny ary efa napetr...

Read more...

Ioga – Hanara-maso ny andrana nokleary

Details

Vao nahazo fitaovana natao hanaraha-maso ireo andrana nokleary aty amin’ny manodidina antsika ny IOGA na ny ivon-toerana mpanara-maso ny fivoaran’ny tany, eny Ambohimitsimbina.

«Toerana roa eto amin- tsika ...

Read more...

Tsiro – Nahazo medaly volamena tamin’ ny «Rhum fair» ny Dzama

Details

Tsiro – Nahazo medaly volamena tamin’ ny «Rhum fair» ny DzamaMitombo isa indray ireo medaly azon’ireo zava-pisotro vokarin’ny orinasa Dzama. Taorian’ny fifaninanana notanterahina tany Paris, tamin’ny volana avrily teo, dia nahazo ny medaly volamena teo amin’ny sokajin’ireo toaka voavoatra ara-boajanahary ny «Cuvée Noire Prestige», izay nialoha ireo marika efa sangany eran-...

Read more...

« Tournoi fondation Angela » – Norombahin’ny FC Colas ny amboara sy 600 000 ariary

Details
Ny FC Colas, nandrombaka ny loka tany Analavory

Ny FC Colas, nandrombaka ny loka tany Analavory

Ny ekipan’ny Colas avy any Soavinandriana no voahosotra ho tompondaka tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fondation Angela, tany Andranomena Analavory, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny FC Sidex OI, teo amin’ny lalao famaranana ka nahazoan’ity ekipan’ny Colas ity ny...

Read more...

« Beach soccer » – Nahintsan’ i Maraoka ny Barean’ i Madagasikara

Details

Taorian’ny nandresen’ i Sénégal antsika teo amin’ ny andro voalohany dia mbola tsy tafavoaka teo anatrehan’ ny mpampiantrano (Maraoka) ihany koa isika teo amin’ ny andro faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, teo  amin’ ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny tora-pasika na Beach Soccer.

Isa 6 no ho 3 no nandavoan’ny Maraokanina a...

Read more...

CCI Ivato – Namoaka tanora manam-pahaizana 457 ny sekoly ambony ESSCA

Details

Hetsika tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Esca. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ireo tanora mpianatra nahavita fiofanana tao amin’ny Sekoly ambony Essca. Mpianatra 457, misalotra ny anarana «Orimbato», no nozaraina diplaoma ambony «Masters» sy «Licence», momba ny Fitantanana sy ny Varotra Iraisam-pire...

Read more...

Kandida filoham-pirenena – Minisitra iray, lehiben’ny faritra iray  sy mpikambana Cst iray nametra-pialana

Details

Ny telo tamin’ireo kandidà ho filoham-pirenena mitana andraikitra ambony ihany no nametra-pialana omaly. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rajaonarivelo Pierrot, ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny teteza- mita (Cst) Rasamoelina Brigitte ary ny lehiben’ny faritra, Faharo Ratsimbalison, ireo nametra-pialana ireo.

Ny mini...

Read more...

Firaisankina – Kandidà roa ihany no nanoina ny antson-dRafalimanana Ny Rado

Details

Kandidà roa ihany no tonga nanoina ny antson’ ny kandidà Ny Rado Rafali- manana, omaly, teny amin’ ny hotel Colbert Antaninare- nina. Nikasa hanao fanambaràna lehibe mitaky ny hitazomana ny datin’ny fifi-dianana amin’ny 24 jolay ireo kandidà ireo ary hampi- tandrina izay mihevitra ny hanemotra ny fifidianana, raha ny tsilian...

Read more...

Hisintona ny firotsahany Rajoelina  raha miala koa ireo kandidà 12 hafa 

Details

Hisintona ny firotsahany Rajoelina  raha miala koa ireo kandidà 12 hafa Nametraka fepetra. Vonona ny hisintona ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina raha toa ka misintona ny azy ihany koa ny amiraly Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana ary ireo kandidà miisa 10 isan’ireo tafiditra tao anatin’ilay lisitr’ireo olona 109...

Read more...

Tanjombato – Lehilahy maty nitsoraka tampoka  avy eny ambony tetezana

Details

Tanjombato – Lehilahy maty nitsoraka tampoka  avy eny ambony tetezanaHatairana ny an’ireo olona monina etsy amin’ny manodidina ny tetezan’i Tanjombato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora nahita lehilahy iray nitsoraka tampoka avy eny ambony tetezana. Namoy ny ainy avy hatrany ity farany.

Niantso teo amina  »taxi-phone » iray teo akaikin’ilay tetezana izy...

Read more...

« Airtel jeunes talent » – Hifantina ankizy 16 ho any Nizeria ny Airtel sy ny Génération

Details

« Airtel jeunes talent » – Hifantina ankizy 16 ho any Nizeria ny Airtel sy ny GénérationHiditra amin’ny andiany fahatelo sahady ny fifantenana ireo mpilalao hisolo tena ny Airtel Madagascar ho any Lagos (Nizeria) amin’ny volana septambra 2013 ho avy izao.

Hotontosaina amin’ny 8 jona hatramin’ny 22 jona ho avy izao izany fifaninana handraisan’ireo ekipana ankizy latsaky ny 17 taona, eny amin’ireo sekoly eto Antananarivo sy ny manodid...

Read more...

Leonidas Tezapsidis – «Tsy mbola tapaka ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeana»

Details
Leonidas Tezapsidis masoivohon’ny Vondrona Eoropeana

Leonidas Tezapsidis masoivohon’ny Vondrona Eoropeana

Mandroso mihemotra. Nambaran’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana, Leonidas Tezapsidis omaly fa «tsy mbola tapaka ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeana hana- tanterahana ny fifidianana eto Madagasikara».

Araka ny fanazavan’ity farany dia «hevitra tsy nifankahazo fotsiny ih...

Read more...

Omer Beriziky – Tsy manaiky ny hanaovan’ny samy Malagasy irery ny fifidianana

Details

Nahariharin’ny Praimi-nisitra Omer Beriziky ny tsy fankasitrahany ny mety ho fikirian’ny fitondrana tetezamita hanatanteraka samy irery ny fifidianana filoham-pirenena, tsy voatsodranon’ny iraisam-pirenena.

«Manampy ihany no tokony hataon’ny Malagasy satria raha isika irery no manatontosaio fifidianana io dia tsy ho azo ny fa...

Read more...

Fandaminana – Nangataka hanemorana  ny fifidianana ny Foloalindahy, ny Ffm ary ny Csc  

Details

Nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny Vaomie-ram-pirenena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita, Béatrice Atallah, mangataka ny hanemorana iray volana ny datim-pifidianana ny Foloalindahy sy ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (Ffm) ary ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana (Csc).

Araka ny voarakitra ao a...

Read more...

   
© WORLD NEWS